OFNAC Madagascar

OFNAC Madagascar

Share

Office National des Arts et de la Culture
Organisme rattaché au Ministère de la Communication et de la Culture

17/02/2026

🎨 " Tsiaro ny Lasa" - Varotra fampirantiana haikanto Malagasy tsy tokony ho adino.
🗓️ Alakamisy 19 Febroary 2026
🕦 Amin'ny 11h30 - Fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fampirantiana
➡️ Ivokolo Analakely - Galerie d'Art R.R.Raparivo
Ny sanganasan'i Hans Ranaivosoa sy ny Mpianany Andiany voalohany no haranty amin'ny alalan'ny hosodoko. Ity fampirantiana ity dia antso avo ho an'ny fanomezan-danja ny talentan'ny mpanakanto sy ny kanto Malagasy.
🕦 Misokatra isan'andro manomboka amin'ny 09 ora maraina hatramin'ny 04 ora hariva ny tahala. Tsy misy vidim-pidirana koa tongava maro.

14/02/2026

🎻🥁🪗🎺 Amin'ny Alahady 15 Febroary indray ary ny fotoana e! 🎺🥁🎻🪗

31/01/2026

🌨️🌧️💧Maneho fialantsiny ireo Tarika izay tokony hifanandrina rahampitso fa noho ny toetry ny andro dia ho ahemotra amin'ny alahady manaraka 08 Febroary ny ady Hiragasy🎺🥁🎻


24/01/2026

🎺🎺🎺🥁🥁🥁🎻🎻🎻Ho fanokafana ny taona vaovao 2026 dia hisy ny vaky sehatra Ady Hiragasy Goavana ho an'ity taona vaovao ity amin'ny alahady 25 Janoary, izay hifandonan'i Ramaroson Soanierana be sy Raemilison Tsy maka Lagy Arivonimamo manomboka amin'ny 10 ora maraina.
Tongava maro ary e!!??🎺??🎻🎻🎻🥁🥁🥁


Photos from OFNAC Madagascar's post 07/01/2026

Misaona ny tontolon'ny zavakanto sy ny kolontsaina. Nodimandry ny 06 Janoary 2026 Itompokolahy Rajaona Edouard, andrarezin'ny sary hosodoko sy sarisokitra eto Madagasikara. Ny sangan'asany, ny talentany ary ny soatoaviny dia hitoetra ao amin'ny tantaran'ny zavakanto Malagasy.
Ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina,ny Ofisim-pirenena misahana ny Zavakanto sy Kolontsaina (OFNAC) dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny zavakanto sy ny kolontsaina.
Mandria am-piadanana Rajaona Edouard

Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Avenue De L Indépendance
Antananarivo
101